Iray eny an-kianja  : Maimaimpoana ny an’ireo any amin’ny faritra

Nihaona tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Kianja Barea, omaly, ireo mpikarakara ny hetsika “Iray eny an-kianja”. Lalao ara-panatanjahantena  hifanandrinan’ny haino vaky jery. Namba­ran’ireo tomponandraikitra fa tsy miova ny daty hanatontosana ny fihaonana fa ny sabotsy 6 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Mampiavaka ity andiany ity, natao maimaimpoana ny fandraisana anjaran’ireo avy any amin’ny faritra. Mba hisian’ny fahavitrihana sy ho fitsinjovana azy ireo, noho ny halavirana mamonjy eto Anta­nanarivo. Ankoatra izay, nahena ho 100 000 Ar ny saran’ny fandraisana anjara ho an’ireo taranja baolina lalaovina olona 7 sy ny basikety iarahan’ny lahy sy vavy. 20 000 Ar isan’olona kosa ny eo amin’ny lalao tsipy kanetibe, olon-droa sy olon-telo miaraka. Amin’ny maha lalao natokana ho an’ireo mpiasa ao anatin’ny haino aman-jery, ho hentitra ny mpikarakara amin’ny fanaraha-maso ireo mampiasa “mercenaires”.
Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity andiany fahadimy ity ny fampiarahana ny fanatanjahantena amin’ny kolontsaina. Hisy ny antsoina hoe: “Open Mic” sy ny “karaoke”. Samy hahazoana loka sy amboara avokoa ireo rehetra ireo. Mpanohana ofisialy ity hetsika ity ny Yas Madagascar. Efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ity “Iray eny an-kianja” ity.

Tompondaka

Partager sur: