Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Shanghai Chine, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Women’s Series”, taranja basikety, nandraisan’ny Ankoay vehivavy anjara. Lalao roa no natrehan’izy 4 mirahavavy, nahitana an’i Sambatrarimiora, i Sydonie, i Sarobidy ary i Koloina. Raha hiverenana ny vokatra, nahazo fandresena iray sy faharesena iray i Madagasikara. Teo amin’ny lalao voalohany, isa 15 no ho 12 no nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Mongolie. Ady mafy no natrehan’ny Malagasy tamin’ity lalao voalohany ity. Teo amin’ny lalao faharoa kosa, somary nitaky ny havizanana, ka resin’i Australie tamin’ny isa 18 no ho 11 i Madagasikara. Zava-dehibe ny fiatrehana lalao iraisam-pirenena goavana toy izao ho an’ny Ankoay satria nahafahana naka traikefa tamin’ireo ekipa kalaza maneran-tany. Tsiahivina, laharana faha-14 i Madagasikara amin’ireo ekipa 16 nandray anjara tanin’ity fifaninanana iraisam-pirenena natao tany Shanghai Chine ity.
Mi.Raz




