Mpilalao tantara amin’ny onjampeo: Hiaka-tsehatra ao Mahajanga ny Iray Fy’Art

Handeha lavitra kokoa amin’ny seho ataony. Hifamotoana amin’ny mponin’i Mahajanga sy ireo mpankafy ny mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art.

Hilalao tantara an-tsehatra any an-toerana izy ireo. Hotanterahina ny alahadin’ny Pantekoty, 24 mey, ao amin’ny «Centre pastorale ex-Don Bosco» izany, hanomboka amin’ny 4 ora hariva. Hiompana amin’ny fiainana andavanandro ny votoatin’ny tantara ary natao ho an’ny sokajin’olona rehetra. «Hisy hafatra sy anatra ho an’ny rehetra ao anatin’izany. Eo koa anefa ny mampihomehy sy ny fampieritreretana…», hoy ny lehiben’ny tarika, Ni­ravo.
Hifanakaiky kokoa amin’izao seho ataon’izy ireo izao ireo mpankafy sy ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo. Hahita mivantana an’i Niravo, Soafaniry, Rakoto, Faly, Sy­nèse izany ny mponin’i Ma­hajanga. Hanampy azy ireo hisahana ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra ary ny fanentanana.
Tsia­hivina fa tafiditra ao amin’ny faha-20 taon’ny radio JRDB Mahajanga izao hetsika izao.
Aorian’izany, hihazo ny any Amparamanina, any Amparafaravola, Alaotra ny tarika Iray Fy’Art ny 7 jona
ho avy izao. Hanatanteraka seho an-tsehatra eo amin’ny Podium St Janvier, iarahana amin’ny mpikarakara, ny laika Trinitera, izy ireo. Hitohy eny amin’ny Ekar Notre Dame de Rosaire, Antsahamaina, Ma­hitsy, izany ny 20 jona. Mia­raka amin’ny antily eny an-toerana ary hiaraka hifaly amin’ny vahoakan’ny kaominina Mandrosoa, Andramasina kosa ny 26 jona.

HaRy Razafindrakoto.

Partager sur: