Tsy ho anisan’ireo handray anjara amin’ny “Masters 2026”, taranja tsipy kanetibe, i Madagasikara. Araka ny fikarohana natao, miditra amin’ny fandrafetana ny ekipam-pirenena malagasy ny klioba Decines France. Fanapahana, notsipahin’ny Federation sport boule malagasy (FSBM) izany.
Mbola ambentin-dresaky ny maro hatramin’izao ny tsy fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Masters 2026”, taranja tsipy kanetibe. Araka ny fanadihadiana natao, nitsabaka amin’ny fanendrena ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ny klioba Decines France. Raha tsiahivina, anisan’ny manana petra-bola miasa ao amin’ny “Masters” ity klioba ity ka afaka mibaiko amin’ny ampahany.
Fantatra, araka ny angom-baovao, fa teren’ny mpitantana ny Decines, ho ao anaty ekipan’i Madagasikara i Zigle sy i Yves, Malagasy milalao ao aminy. Ankoatra izay, nandefa taratasy manokana amin’ ny anaran’i Tonnere sy i Tiana Kely ny Decines, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Nanoloana io fanerena vay manta io, tsy nanaiky ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM), ary nanambara fa tsy anjaran’ny Decines ny manao ny fandrafetana ny ekipam-pirenena ka nitsipaka marindrano ny fandraisana anjaran’i Madagasikara. Marihina fa nifarana ny sabotsy lasa teo ny fisoratana anarana amin’ity lalao mitety ny faritra maro any France ity. Ankoatra izay, nanambara ny FSBM fa tsy misy mpilalao afaka mitondra ny anaran’i Madagasikara amin’io lalao io, raha tsy nahazo fankatoavana.
Tsiahivina fa tsy ny Quaterback intsony no mikarakara ny “Masters” manomboka izao.
Araka ny tsilian-tsofina, ekipa voafantin’i Afrika no hisolo toerana an’i Madagasikara. Tsy mbola fantatra anefa ny fomba fifantenana izany. Na eo aza izany, vonona hatrany ny tsipy kanetibe malagasy amin’ny fiantohana ny fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena hafa, toy ny “Tournoi estival” sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026.
Tompondaka




