Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga, ny fiofanana Beach-volley ho an’ireo teknisiana sy mpitsara nokarakarain’ny Ligin’Analamanga. Niarahana tamin’ny mpampiofana Fidy izany. Nahazo mari-pankasitrahana ny mpiofana. Hotanterahina manomboka ny 22 mey izao kosa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity.
Tafita any amin’ny dingana manaraka, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2026 », ny ekipan’ny Fosa Juniors Espoir rehefa nandavo ny Tout Puissant Sirama Ambilobe, tamin’ny fandakana “tir au but” 12 no ho 11. Nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny roa tonta nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Andrasana izay ho mpifanandrina amin’izy ireo eo amin’ny dingana manaraka.
Niteraka savorovoro ary niato teo amin’ny minitra faha-78 ny fihaonan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa Miaramila. Fifanandrinana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroso, ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League”. Nampiato izany moa ny tsy faneken’ny mpilalaon’ny Cosfa hanohy ny lalao, noho ilay resaka “penalty” azon’ny CFFA. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra mahakasika izany.




