Kick Afrika- Maître Kelly : “Tokony hiankina amin’ny teknika ny fandraisan’anjara”

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny nanendren’ny filohan’ny Federasionin’ny kick boxing azy hisahana ny lafiny teknika ny Maître Rasoanaivo André Kelly. Nambarany fa tonga nanatona azy ny filohan’ny Federasionina, Rafidison José, ary nanankina aminy ny fametrahana ireo hitantana ny fanazaran-tenan’ny mpikatroka. Manoloana izany, nilaza izy fa miankina amin’ny lafiny teknika ny hahafahana na tsia mandefa atleta malagasy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika izay hatao any Cameroun, ny 21 hatramin’ny 27 jona. Ny any amin’ny fototra, hoy izy, no mila harenina voalohany, izany hoe, ny any amin’ny seksionina, amin’ny alalan’ny fanatanterahana antsakany sy andavany ny fifaninanana ka hijerena izay tena mendrika. Mitaky fotoana lava izany ary tsy misy ny tokony hampikoropaka satria vokatra no ilaina any amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Ny fananganana ny Staff teknika hitantana ny fanazarana ny ekipa nasionaly aloha izao no imasoana voalohany, hoy ny fanazavany. Mbola tsy maintsy hofanina ihany koa izy ireo. Efa misy ireo Maître maromaro manana traikefa notendreny hanamafy izay lafiny teknika izay. Nohama­fisiny koa fa tsy ny eto Anta­nanarivo ihany no antsoina amin’izany fa eo koa ny any amin’ny faritra izay tena misy manana traikefa.
Etsy ankilany, efa eo am-pananganana ny mpikambana mandrafitra ny biraony ny Fe­derasionina malagasin’ny kick boxing, ka hivoaka rahampitso izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina, Rafidison José.

Mi.Raz

Partager sur: