Fifanintsanana Can 2027 ; Iray vondrona amin’i Nizeria ny Barea

Tontosa omaly, tany Le Caire, Egypta, ny antsapaka ahafantarana ny anaran’ireo firenena miray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027. Hiara-kiady ny tapakila tokana, i Madagasikara, i Nizeria ary i Guinée Bissau. Efa tafita kosa i Tanzanie.

“Fito taona aty aoriana!” Miray vondrona « L » amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Ma­da­gasikara ny Super Eagles Nizeria, mandritra ity fifanintsanana Can 2027 ity, araka ny valin’ny antsapaka omaly, natao tao amin’ny Federa­sionina egyptianin’ny baolina kitra (EFA), le Caire Egypte. Tafaraka amin’ireo firenena roa ireo i Tanzanie, mpampiantrano sy i Guinée Bissau.
Tapakila iray ihany sisa no hiadiana ao amin’ity vondrona ity satria i Tanzania efa tafita avy hatrany amin’ny Can 2027 amin’ny maha firenena mampiantrano ny fifaninanana azy. « Raha misy firenena mpampiantrano anaty vondrona iray, tafita avy hatrany io ekipa io. Raha mahavita voalohany ny firenena mampiantrano, tafakatra ihany koa ny ekipa laharana faharoa ao anatin’ilay vondrona. Saingy, raha eo amin’ ny laharana faharoa na ivelan’ny roa voalohany io firenena io, dia ilay ekipa voalohany ao amin’ny vondrona ihany no tafita miaraka amin’ny mpampiantrano”. Io ny fanazavana azo omaly, tamin’ireo mpikarakara.
Tsy maintsy handavo an’i Nizeria, laharana fahatelo, nandritra ny Can 2025, farany teo izany ny Barea, izay tarihan’i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, ary haka fandresena amin’i Guinée Bissau sy i Tanzanie.

Efa nandresy an’i Nigeria
Ampahatsiahivina fa efa niray sokajy tamin’ny Mala­gasy ny nizerianina nandritra ny Can 2019, tany Egypta. Resin’ny Barea, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Voromahery maitso nizerianina, tamin’izany.
Hatao ny 21 septambra hatramin’ny 6 oktobra 2026 ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana. Hoton­tosaina ny 9 hatramin’ny 17 novambra ny andro fahatelo sy fahefatra. Ny 22 hatramin’ ny 30 marsa 2027 kosa ny andro fahadimy sy fahenina.

Fitia Randria

Ireo mpiray vondrona rehetra :

A : Maroc, Gabon, Niger, Lesotho,
B : Egypte, Angola, Malawi, Soudan du Sud
C : Côte d’Ivoire, Ghana, Gambia, Somalia
D : Afrika Atsimo, Guinée, Kenya, Erithrée
E : RDC Congo, Guinée Equatoriale, Sierra Leone, Zimbaboe
F : Burkina Faso, Benin, Mauritania, Centrafrique
G : Cameroun, Comores, Namibia, Congo Brazzaville
H : Tunisie, Oganda, Libya, Botswana
I : Algeria, Zambia, Togo, Burundi
J : Sénégal, Mozambika, Soudan, Ethiopia
K : Mali, Cap Vert, Rwanda, Liberia
L : Nigeria, Madagasikara, Tanzania, Guinée Bissau

Partager sur: