Hotanterahina ny zoma 29 sy ny sabotsy 30 mai ho avy izao ny Rallye Motul. Dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena. Hikarakara ity hetsika ity ny klioba FMMSAM. 129, 240 km ny halaviran’ity rallye ity ary misy dingana manokana (ES) 8, izay mirefy 72 km. Anisan’ny lava indrindra ny eo Anjeva mihazo an’Ambohimahatsinjo, izay misy halavirana 10, 40 km. Hiverenana in’efatra izany dingana manokana izany ka ny roa hotanterahina ny andro zoma: ny ES 1 sy ny ES 2. Ny roa ambiny kosa hatao ny sabotsy: ny ES 5 sy ny ES 6. Eo Ankorondrano ny toerana hiaingana sy ny fahatongana ho an’ity rallye ity. Fantatra ihany koa fa tany avokoa ny 98 % ny lalana amin’ny dingana manokana.
Manana safidy amin’ny fotoana sy ny ora hanaovana fizahan-dalana ireo mpifaninana. Na ny sabotsy 23 sy alahady 24 mey no atao izany na ny talata 26 sy ny alarobia 27 mey. Hahazoan’ny mpanamory sazy ny fanatontosana izany ivelan’ireo daty voatondro ireo. Hifarana rahampitso ny fisoratana anarana ary hambara amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 23 mey ny lisitra ofisialin’ireo mpanamory nahafeno ny fepetra. Ny andron’ny zoma hanaovana ny fifaninanana ny fizahana teknika ary amin’ny 10 ora no fiaingana.
Tompondaka




