Hitondra ny traikefany any Alençon-Normandie, France, ny Malagasy mivondrona ao amin’ny “Alliance AfricanZ Madagascar”, izay manao ny “ AfricanZ Dance”, ny 20 jona izao. Tanjona amin’ny fandefasana ireo mpahay dihy voafantina ireo ny hampiofana ireo mpikambana liana any an-toerana sy te ho lasa matihanina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka afaka mitarika dihy amin’ny sehatra maro. Ny “afro”, “dancehall” ary “dance traditionnelle” no tena hiangaliana ao anatin’ny fikambanana. Hira malagasy ny 80 isan-jato raha toa ka hira avy eto amin’ny kaontinanta afrikanina ihany ny 20 isan-jato. Tsiahivina fa dihy tarihin’olona iray ka arahin’olona maro ny “AfricanZ Dance”. Amin’ny maha fanatanjahantena azy, fitaizana ara-batana sy hananana fahasalamana no tena tanjona. Eo ihany koa ny fanandratana ny kolontsaina sy zavakanto eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny fanazavan’ny Coach Coko, tomponandrakitra ao amin’ny “Alliance AfricanZ Madagascar”. Ny Coach Optimus no namorona ity dihy ity, teto Madagasikara, tamin’ny taona 2017 ary efa nentiny tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena tany ivelany. Nisy ny fampahafantarana bebe kokoa ny fikambanana omaly, teny amin’ny Koots Food Mahamasina. Hisy ihany koa ny hetsika goavana hokarakaraina ny desambra ho avy izao.
Mi.Raz




