Nanomboka ny 11 mey hatramin’ny 28 mey ho avy izao ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra ampahibemaso manerana ny faritra rehetra ho an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny Fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa.
Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny fandraisana mpiasam-panjakana ampahibemaso raikitra an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny sekoly fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa ao Vakinankaratra. Ao anatin’ny fenitry ny mangarahara tanteraka no hanatontosana izany. Fepetra maro no jerena, toy ny taonan’ilay olona, ny faharetan’ny taona niasana, ny ora nampianarana, ny taranja ary ny diplaoma. Misy ny isa tratrarina ka izay mahafeno fepetra no tafiditra, raha ny fanazavana. Nitarika ny hetsika, tamin’ny fomba ofisialy, ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne. Nohamafisiny ny fankasitrahana ny fitondram-panjakana satria anisany iankinan’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fanabeazana. Nankahery ireo mpampianatra koa izy hanohy sy hanatanteraka ny asa antsakany sy andavany.
Hampitombo ny fahavononana efa ao amin’ireo mpampianatra “vacataire” eo amin’ny sekoly fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana raikitra. Mahatratra 250 ny isan’ny “poste budgétaire” nomen’ny fanjakana ho an’ny taona 2025. Ho an’ny taona 2026, misy toerana 200 isa ary mbola manana ambiny 156 ny taona 2024.
Nanao filazana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa fa efa manomboka ny fandraisana ny “dossiers” ho an’ireo vacataires efa nahavita «recrutement ampahibemaso». Efa vonona tanteraka ny fitaovana sy ny ekipa rehetra handray azy ireo ao amin’ny foiben’ny minisitera Complexe scolaire Ampefiloha Batiment E porte 317-E. Ny 5 jona ho avy izao ny daty farany handraisana ny antontan-taratasy feno araka ny toromarika nomena.
Vonjy




