Olona manana toe-tena varira: Matimaty foana, tsy manana ianteherana

Mikiakiaka anaty antso vonjy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny fa­miravirana ny ain’izy ireo. “Te­na tsisy vidiny ny aina ary tsy misy hasiny ny maha olona raha ny tranga famonoana mi­seho sy iainanay”, hoy ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence.
Tranga roa nisesy, tamin’ity volana ity, ny niseho tany Ma­rovoay sy Betroka. Nan­dritra ny fanafihan-jiolahy mi­tam-piadi­ana nitranga tao amin’ny fokontany Antana’Ivo­ny, kaominina Marotsakoho, distrikan’i Maro­voay, amin’ny lalam-pirenena faha-4 no nisy famonoana mi­hitsy. Namba­nan’ireo jiolahy antsy ireo ray aman-dreny tao an-trano izay manan-janaka mianadahy manana toe-tena varira. Maty notapahin-doha ilay ankizilahy 12 taona, raha tafandositra kosa ilay vavikely.
Ny tranga faharoa kosa dia tao amin’ny kaominina Ivaona, distrikan’i Betroka. Za­zalahikely vao 8 volana monja no nalaina an-keriny. Nisy fanarahan-dia nataon’ny fokonolona tany an-toerana ka jiolahy iray atao hoe Rambo no voatifitra. Tsy mbola hita kosa ilay zaza, hatreto.
Miaina anaty tahotra sy tetibety andro aman’alina ireo olona manana toe-tena varira, indrindra any amin’ireo toerana alavitra mpitandro filaminana.

Tatiana A

Partager sur: