Analefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana : Alàna ireo fiara sy moto mijanona amoron-dalana

Nanatanteraka fivoriana tetsy anivon’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo, omaly, ireo tomponandraikitra eo ani­­von’ny kaominina Antana­na­rivo sy ny polisim-pirenena ary ny solontenan’ny mpampiasa lalana. Niarahan’ny re­hetra nanapa-kevitra mba ha­natsa­rana sy hanafoanana sy hanalefahana tsikelikely ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’ny nodinihina nandritra izany, ny firosoana amin’ny fanesorana ireo fiara sy moto mijanona eny amin’ny toerana tsy azo hijanonana sy amoron-dalana. Efa miroso amin’ny fanesorana azy ireny ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. « Mbola misy ny fampitandremana ho an’ireo mbola mijanona eny amin’ny sisin-dalana fa tsy maintsy hirosoana ny fanapahan-kevitra hanalana azy ireny ary efa hoavy ny fiarabe manala azy ireny », hoy Hery Ranaivoson Mananjary, filoha lefitra faharoa eo anivon’ny kaominina Antananarivo, mi­andraikitra ny fifamoivoizana. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena izany. Nambarany fa maro ny sazy mihatra amin’ireny, toy ny tsy maintsy ampidirana any am-balam-pamonjana ilay fiara. Samihafa arakaraka ny zava-nisy teo amin’ ny toerana nijanonan’ilay fiara na moto eny sisin-dalana ny sandan’ny lamandy aloha. « Tsy nampihatra fanasaziana mihitsy isika teto amin’ny Nosy fa izao tsy maintsy hiroso amin’ny dingana manaraka », hoy ihany izy.
Hatsangana araka izany, ny komity, handinika farany ny fomba hananatanterahana ireo fanapahan-kevitra rehetra natolotra. Hiroso amin’ny dingana manaraka ireo tomponandraikitra aorian’izay. Mba hamahana tanteraka ny olan’ny fifamoivoizana eto Antana­narivo.

Mino

Partager sur: