“Nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandohan’ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe. Ny fahitanay azy, mbola misy zavatra be dia be manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Mila fanazavana”.
Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ny amin’ny fikaonandohan’ny olom-pirenena. Firy andro, ohatra, ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, ahoana ny ho fandehan’ny adihevitra eny amin’ny fokontany, inona avokoa ireo lohahevitra hodinihina, miara-miainga ny fokontany manerana an’i Madagasikara sa ahoana… ? Eo koa ny hoe: ny olona rehetra eo anivon’ny fokontany ve no hasaina, misy fetr’isa ve hilazana fa manankery ny fanapahan-kevitra… ? Tsy mazava izany rehetra izany. Nefa tsy maintsy omanina ny olompirenena mba hampahavitrika ny fandraisany anjara. Fifandraisana sy serasera izay. Izay no hanaovana fanaraha-maso.
Tsy tokony hapetraka ho asan’ny minisitera iray io, fa hifarimbonan’ny rehetra eo anivon’ny governemanta manontolo io. Fa mipatarika hatrany ny minisitera misahana ny Fanavaozana. Ankoatra ny tena fahamehana eo amin’ny fiainam-pirenena, io fikaonandoha io no tena iraka lehibe tontosain’ny governemanta. Aminn’ny KMF/Cnoe, io no tena asa voalohan’ny governemanta. Rehefa manao fitsidiham-paritra ry zareo, tokony hiresaka an’izay hatrany. Ny fikaonandoha no hamoaka ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana vaovao ary ny lalàna momba ny antoko politika. Farafahakeliny, izay no hivoaka amin’izany.
R. Nd.




