Ravonison Tintin : “Alefaso ny fifidianana”

“Alefaso ny fifidianana, fa aza be resaka. Ataovy rehefa mahavita azy, na inona na inona hitranga eo”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Ravonison Tintin, ho an’ny mpanohitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’ izao fotoana izao. Hatra­min’ ny nahavory saina azy, tsy mbola nahita izy hoe misy mpanohitra manaiky fa hangarahara ny fifidianana ho avy. Tsy maintsy eo hatrany ny hoe misy tsy miady ny fifidianana, nefa hatao ihany rehefa avy eo…
“Isika no mamono sofina tamin’ny fotoan’androny”, hoy izy. Izao no vokatry ny tondrozotra tamin’ny krizy 2009. Nisy fitenenana be dia be ary notenenina hoe andao aloha hihaona avokoa ny samy Malagasy, izay vao hiroso amin’ny fifidianana tamin’ny 2013. Nandeha ny va­va sy ny fanarabiana ta­min’izany hoe matahotra fifidianana. Iza izao no matahotra fifidianana? Raha ireo mpanohitra izao no eo amin’ny fitondrana, hilaza hoe tsy mila miresaka na mifampidinika izany ny samy Malagasy fa andao hanao fifidianana.

Efa noravana ny rafitra nisy teto Madagasikara
“Na io Ceni io aza, azafady: tokony tsy hisy io amiko. Satria miteny hatrany aho hoe mpandoa vola no lehibe. Iza no mpandoa vola? Ny fiombonambe iraisam-pirenena. Mbo­la tsy tonga saina ihany isika amin’izany?”, hoy ihany izy. Efa noravana ny rafitra nisy teto Madagasikara. Na­nomboka tamin’ny fifidianana filoham-pokontany izany. Maninona no tsy mandeha ny fanisam-bahoaka? Satria no­tondrotondroina sy notendritendrena fotsiny amin’ny kajikajy politika ny lehibem-pokontany. Mbola izany no mandeha amin’izao.

Raha voafidy ny filoham-pokontany, ananan’ny olona hasina ary fantany avokoa ny olona ao aminy. Raha olona vao telo volana, ohatra, no tonga ao amin’ny fokontany, nefa tendrena ho lehibem-pokontany: tsy fantany ny olona ao. Lasa misy anarana miverina amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: