Nanambara sahady ny fandraisany anjara amin’ny karazana fifidianana hisy eto amin’ny firenena ity antoko politika ity. Vonona ihany koa hampangarahara sy hampanara-dalàna izany fifidianana izany.
Notontosaina teny amin’ ny Radisson Blu Ambodivona ny Alarobia 15 febroary 2023, ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny antoko politika Anjomara sy Rivo-Baovao na ARB, tarihin-dRaobelina Andry. Nambaran’ny filohan’ity antoko ity ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny antoko ARB amin’ny fifidianana isan-tsokajiny hisy eto amin’ny firenena.
Sivy volana mialoha ny fifidianana, nanambara ny fijoroany tamin’ny fomba ofisialy sy ny fahavononany hiatrika izany ny antoko politika ARB. Efa am-bolana maromaro no nijoroan’ity antoko ity, ara-dalàna sy ara-panjakana. Manaraka ny lalàna 2011/ 12, tamin’ny 9 septambra 2011 ny nananganana azy, ary manana ireo antotan-taratasy rehetra sy mahafeno ny fepetra ahafahana mitsangana ho antokom-politika. Ny 18 oktobra 2022 no nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fanjakana ny antoko, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra. “Tanjona ary vinan’ny antoko ny haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana sy fomba ara-dalàna”, hoy Raobelina Andry, filohan’ny antoko ARB.
“Vonona, ary handray anjara avy hatrany amin’ny fifidianana hisy eto amin’ny firenena ny antoko. Misokatra ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona sy antoko politika mitovy vina amin’ny antoko”, hoy ny filohan’ny antoko ARB. Nanentana ny vahoaka malagasy, indrindra ny mpifidy izy mba handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay avy amin’ny fifidianana. Nilaza ihany koa ny tsy fanekena sy fiadivana hatramin’ny farany amin’izay mety ho fisian’ny fangalaram-bato, mandritra ny fifidianana isan-karazany.
Aorian’izao fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy izao. Hiditra amin’ny fanatanterahana ny kongresy isam-paritra ny antoko. Rehefa izay vao hanatanteraka ny kongresy nasionaly eto Antananarivo.
Lin (Mpianatra asa)