Taorian’ny fahatongavan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, teto Madagasikara, efa maro ny fanehoan-kevitra nataony manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Manoloana izany rehetra izany anefa, niantso ny rehetra mba ho tony sy hanaraka ny lalàna hatrany ity filoha teo aloha ity. “Tsapako ny fahoriana sy ny fahasahiranana iainanareo. Mila tony hatrany anefa isika manoloana izany rehetra izany ary tokony ho ao anaty fanarahan-dalàna hatrany”, hoy Rajaonarimampianina Hery, filoham-pirenena teo aloha.
Raha tsiahivina, nisy ny fihaonan’ny fianakaviamben’ny antoko HVM, teny amin’ny foiben- toerany teny Andraharo, ny alatsinainy lasa teo. Maro ny resaka nivoitra nandritra io fihaonana io, isan’izany ny filazan-dRakotovao Rivo, mpandrindra nasionalin’ny antoko, ny tokony hanohizana ny asa nandritra ny fotoam-pitondran’ny filoha Rajaonarimampianina Hery, asa izay tsy vita hatramin’ ny farany.
Hisy ny fitetezam-paritra hataon’ity filoha teo aloha ity, ho fihainoana ny maharary sy fandraisana ny filàn’ny vahoaka malagasy.
Lin (Mpianatra asa)