Alaotra Mangoro: hampiakarina ho 4 t/ha ny voka-bary

Aman’alina ny tantsaha nisitraka tohana avy amin’ny fanjakana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », hampiakarana ny voka-bary ny hetsika.

Nankalazaina tany amin’ny kaominina Ambo­hibary, distrika Mora­manga, ny 22 mey, ny santa-bary, ara-pomba betsimisaraka sy bezanozano. Nitarika ny fotoana, amin’ny fanohanana ny tantsaha, ny minisitra Ra­mindo Gaëtan, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Na­no­trona azy ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ra­bemananjara Elire.
Nisy koa ny fizarana kojakojam-pamokarana samihafa, ahafahan’ny tantsaha mpamboly mampitombo sy manatsara ny voka-bary. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Nisy ny fitaovana fihavam-bary sarkilezy sy siny fanondrahana fanafody (pulverisateur) tany amin’ny kaominina Ambohi­bary, distrika Moramanga. Tsiahi­vina fa efa nisy ny fizarana tamin’ny janoary 2026. Naha­zo masomboly vary, zezika organika, NPK, Urée ary fanafody famonoana ahidratsy ny tantsaha.
Tanjona amin’ny tetikasa « Riz Plus », ny hahazoana vo­ka-bary hatrany amin’ny 4 t/ha, raha manodidina ny 2 t/ha hatrizay. Fomba hanatrarana izany ny fampiasana ny teknikam-pambolena Pap­riz, miaraka amin’ny kojakoja sy fitaovam-pamokarana ma­naraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’ny taom-pambolena 2025-2026 ity hetsiky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ity.

Ho vahana ny olan’ny rano
Mitotaly 4 880 ny fitambaran’ny mpahazo tombontsoa ao anatin’ny distrika, ahitana kaominina 18. Mahatratra 26 750 ny any amin’ny distri­kan’Ambatondrazaka sy Am­parafaravola. Toerana tena mamokatra vary ny any Am­pasimpotsy Gara. Olana ane­fa ny famatsian-drano. Nova­tsiana fitaovana koa ny tantsaha, sady hamahana haingana ny lafiny tsy fahampian’ny rano.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: