Depiote Befeno Hiacynthe: « Tsy mandoa hetra ny 95% ny orinasa »

Naneho hevitra ny solombavambahoaka voafidy tany Antsohihy, i Befeno Hiacynthe Todimanana, manoloana ny tontolon’ny hetra eto Mada­gasikara. Nohitsiny fa : « maro ireo mpandraharaha sy orinasa ara-dalàna eo amin’ny sehatra tsy miankina no mitaraina. Mizaka irery ny vesatra ara-ketra izy ireo sady mitombo isan-taona izany. Tsy mandoa hetra ary tsy voasoratra ara-dalàna ara-panjakana ny 95% ny orinasa eto Madagasikara ».
Vahaolana naroson’ity olom-boafidy ity ny hifantohan’ny fanjakana amin’ny fanitarana ny isan’ny mpandoa hetra. Tanjona ny hitovian’ny vesatra ara-ketra zakain’ny rehetra, sady hampitomboana ny vola miditra amin’ny fanjakana. Nohamafisiny fa ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana dia manome alalana ny fitondram-panjakana hampihatra hetra sy hampiasa ny volam-panjakana. Tsy afa­ka maka hetra amin’ny orinasa sy ny olon-tsotra ny fanjakana raha tsy lany izany lalàna izany.
Tsiahivina fa manodidina ny 10% eo foana ny salanisan’ny tahan’ny fidiran-ketra eto Madagasikara, izay tena ambany dia ambany raha oharina amin’ny firenen-kafa aty Afrika.

Njaka A.

Partager sur: