Vaovao tambatra

 Miato ny fandoavana faktioran’ny Jirama amin’ny MVola noho ny antony tsy miankina amin’ny Jirama, araka ny fampahafantarana nataon’ity orinasa ity, ny 21 mey teo. Mandeha tsara kosa ny fampiasana ireo tambajotra hafa. Tsy mandeha koa ny fampiasana ny tolotra #699# an’ny MVola, fifanakalozam-bola eo amin’ny MVola sy ny banky BNI, efa herinandro maromaro izao. Maro ny mpanjifa mitaraina manoloana ireo.

 Atao ny 22-26 mey ny « Rodorodon’ny Tan­tsaha, Tsenaben’ny miaka-bokatra », any Amba­tomitafo, kaominina Fiadanana, distrika Ambo­hi­dratrimo. Fotoana entina hampiroboroboana ny famokarana, ny fandraharahana ara-pamokarana ary hanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny tantsaha izany. Tanjona ny hanohana ny fambolena ho maoderina, matanjaka ary hiteraka harena ho an’i Madagasikara.

 Mitohy ny fanarenana ny fotodrafitrasa amin’ny lalam-pirenena faha-4, ato amin’ny Faritra Analamanga. Anisan’izany ny fanavaozana sy fanamafisana. Natao rindrim-bato ny tahala amin’ny sisin-dalana (brêche) toy ny eny Ambodimita, Ambohidratrimo ary Mahitsy. Tanjona ny hametrahana fotodrafitrasa mafy, manara-penitra ary maharitra, hiantohana ny fifamoivoizan’ny fiara sy ny olona.

Partager sur: