Namearison Robert: “Malok’ila ny datim-pifidianana”

“Malok’ila ny datim-pifidianana”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabe­azana olom-pirenena, i Na­me­arison Robert, momba ny datim-pifidianana navokoan’ ny Ceni. Milaza mazava ny And. 52 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana fa 31 mey farafahaingany ary 31 novambra farafahelany ny tokony hanaovana fifidianana. Tafi­ditra amin’izany ny 9 novambra fihodinana voalohany, fa tsy tafiditra ny 20 desambra fihodinana faharoa. Tsy mbola voahaja io lalàna io. Izay no maha malok’ila azy.
Efa naroso ny fifidianana fihodinana voalohany hatao amin’ny 9 novambra. Naho­ana raha hatao 31 novambra ny fihodinana faharoa, dia kajikajiana hiroso kokoa ny fihodinana voalohany? Ha­tramin’izao, tsy voahaja ha­trany ny And. 52.

Andrasana ny datin’
ny fifidianana kaominaly
“Mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Ceni momba ny fifidianana kaominaly izahay”, hoy izy. Satria miafarana mialoha ny an’ny filohan’ ny Repoblika ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Nefa ny an’ity farany no ahemotra. Antony ny And. 51 fa raha misy mifanindry ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy depiote ary loholona, tazonina ny fifidianana filohan’ny Repoblika ary ahemotra ny fifidianana depiote sy loholona. Izay fisainana izay no mety nitondran’ny Ceni azy. Nefa tsy niteny fifidianana kaominaly io andininy io fa ny fifidianana nasionaly.
Mbola manantena ny hamoahan’ny Ceni datin’ny fifidianana kaominaly hampiarahana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa ry zareo. Raha ahemotra ny fifidianana kaominaly, tokony ho tafiditra amin’ny jona 2024 mba tsy hiitatra ny fe-potoam-piasan’ ny ben’ny Tanàna. Satria 31 mey ka hatramin’ny 31 novambra ny fanaovana fifidianana.

Mila didim-panjakana ny fanohizana fisoratana anarana
Nohalavaina hatramin’ny 31 janoary lasa teo ny fidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Milaza ny Ceni fa mandeha hatrany ny fisoratana anarana eny amin’ny fokontany. “Miteny izahay mba tsy hiteraka ahiahy”, hoy ihany izy. Raha heverin’ny Ceni hotohizana hatrany ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, havaozy sy avoahy ny didim-panjakana ny amin’ izany. Tokony hambaran’ny governemanta ampahibemaso izay, fa tsy tenenina fotsiny.

R. Nd.

Partager sur: