TSELATRA

Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, nakisaky ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo sy ny Jirama ny andrin-jiro iray teo afovoan’arabe teny Tsarasaotra, ny sabotsy teo. «Tafiditra ao anatin’ny arabe io andrin-jiro io ka manelingelina sy mety hampidi-doza amin’ny fifamoivoizana», hoy Ranaivoson Ny Hery Mananjara, Filoha lefitry ny Delegasionina manokana ny tanànan’Antananarivo. Mitondra herinaratra matanjaka be ireo tariby ireo ka mety hitera-doza raha sanatria ka misy fiara na moto mandona. Analehibiazana ny lalana mba hahazaka fiara anankiroa amin’ny zotra mandroso sy miverina ihany koa izany.

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Tsaralalàna, tetsy 67 ha, ny alin’ny 24 mey 2026. Nandefa “Big Boss” sy nampitahotra ireo olona tao anatin’ilay toerana izy ka niteraka savorovoro sy tahotra teo amin’ireo mpanjifa. Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka nahavita nisambotra azy. Efa nentina nohadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisy ny tenany taorian’izay.

Nahazo fitaovana fitiliana alikaola miisa 300 ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny talata 26 mey lasa teo. Natao teny amin’ny minisitera, etsy Anosy, ny lanonana ofisialy fanolorana izany. Nisitraka fitaovana fandanjana ny vesatry ny fiara vaventy “pèse-essieux” miisa 10 ho an’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena ihany koa izany. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny ezaka ho fampihenana ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara ny tolotra.

Partager sur: