Ela ny ela! Anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Fandriana, fa hatao ihany koa ny lalam-pirenena RN1 Bis, eo Tsiroanomandidy hatrany Maintirano. Hanamboatra azy ny Vondron-tafika Jenia miaramila. Efa tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fitaovana vaventy fanamboaran-dalana avy amin’ny orinasa sinoa Tsingshan.
Mirefy 377 km ity lalana ity, ka ny orinasa Madagascar Oil no tena mampiasa azy, hitaterana ny solika mavesatra hamatsiana ny orinasa vaventy any Antsirabe.
Ankehitriny, nahita vahaolana ny fitondrana Fanavaozana, hanatanterahan’ny Jenia miaramila ny asa, miaraka amin’ny fitaovana vaventy avy any ivelany. Misy rahateo ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR) avy amin’ny hetra alaina amin’ny solika (TUPP). Tokony ho azo atao koa ny mifanaraka amin’ny Madagascar Oil hanodinana ny menaka mavesatra ho lasa godirao. Tsiahivina fa efa vita godirao tamin’ny andron’ny Repoblika voalohany ity lalana Tsiroanomandidy hatrany Maintirano ity, saingy tsy nisy mihitsy ny fikojakojana.
Njaka A.




