Fiainam-pikambanana ! Hampandroso an’i Vohemar ny Fizaih

Nifamotoana teny Andohan’i Mandroseza, ny Fikambanan’ny zanak’Iharanan (Fizaih), Vohemar, ny alatsinain’ny Pantekoty teo.

Efa fanaon’izy ireo isak’io fotoana io izany fihaonambe izany. Namba­ran’ny filohan’ny fikambanana, i Tohizara Gentiano Paul, tamin’izany, fa tanjona ny hijerena ny fampandrosoana ny faritra nihaviana, any Vohe­mar. Fotoana koa io ifankahitan’ireo zanaka am-pielezan’iny faritra iny sy ihaonan’ny mpianakavy. « Ilaina ny fihaonana tahaka izao hanaovana fikaonandoha sy hifampidinihana ny momba ny fikambanana, ny sosialin’ny mpikambana. Fa eo koa ny hamaritana ny fampandrosoana any an-tanindrazana », hoy izy. Notsiahiviny fa manana tanjaka amin’ny lafiny rehetra ny any Iharana. Anisan’izany ny fiompiana omby, mampiavaka iny faritra misy azy ireo iny. Eo koa ny fambolena, toy ny lavanila ary ny harena an-kibon’ny tany sy ny an-dranomasina, araka ny nambarany hatrany.
Nanteriny fa manana ny tantarany manokana ho an’ny firenena ny ao Vohemar. Ani­san’izany ny seranan-tsambo voalohany eto Madagasikara nidiran’ireo arabo. « Efa taty aoriana vao niditra avy any atsimo ireo vahiny », hoy ihany ny filohan’ny Fizaih.
Tsiahivina fa anisan’ny nanotrona izany fihaonambe izany ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy any amin’ny faritra Sava. Teo koa ny mpanolotsaina avo eo ani­von’ny Fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika.

Synèse R.

Partager sur: