Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity ary tohanan’ny Alliance Française sy ny masoivohon’i Frantsa eo amin’ny fampitaovana sy fampiofanana ary ny fitadiavana asa ilain’ny tanora malagasy. Tonga nanatrika izao fitokanana izao ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivohon’i Frantsa, i Julien Buissart sy ny talen’ny Alliance Française, i Alexandre Aduyai. Nisolo tena ny tale misahana ny fampandrosoana kosa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Rafidison Willy.
Sajo




