Observateur de la jeunesse : Tokony hamoraina ny fandovana tany

Naneho hevitra ny Obser­vateur de la jeunesse fa tena ady sarotra ny resaka fandovana tanin-drazana eto Mada­gasikara. Maro ny fianakaviana mitaraina satria sarotra ny manatanteraka ny pitsompi­tsony amin’izany. Mifampian­kina nefa ny fampandovana sy ny fampandrosoana ny tanora. Ny 80% ny Malagasy dia mpamboly, kanefa tsy mizaka ny fananany madiodio ny tany ambolena. Lasa mitsoaka sy miala amin’ny tany izy ireo noho ny fahasarotan’ny fampandovana.
Lafo be sy sarotra ny fampandovana. Mbola olana ny faharovitan’ny bokin-tany, ny vola aloa any amin’ny “Enre­gistrement”, ny fakana mpandrefy tany matihaina, ny fampivezivezena amin’ny fanaovan-taratasy.
Manao antso amin’ny tomponandraikitra ny Observateur de la jeunesse mba handray fepetra mafonja, handray an-tanana ny resaka fampandovana. Mila finiavana ny fanamorana ny fahafahan’ny Ma­lagasy misitraka tany.
Hamoraina ny famindrana ny tany lovain’ireo taranaka na ny tanora aty aoriana maniry ny hikarakara sy hamokatra eo amin’ny taniny.

Tatiana A

Partager sur: