Anisan’ireo minisitra telo voalohany nifanatrika mivantana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Anisan’ny nitondrany valinteny ny momba ny sefo fokontany.
“Ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana: fanendrena lehiben’ny fokontany”. Io ny valintenin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray.
Ny didim-panjakana talohan’izay, 2009: ny fivoriambem-pokontany no misafidy izay ho lehiben’ny fokontany ary manendry ny lehiben’ny distrika. 90 % ny fokontany tsy nanao fivoriambe, nanomboka io 2009 io. Izay no nanapahana hoe hotendrena ny lehiben’ny fokontany. Ny lehiben’ny distrika na ny prefet no manendry azy. Nefa tsy manakana ny fifampidinihana amin’ ny rehetra izany: depiote, raiamandreny ara-drazana… Hotendrena aloha ny lehiben’ ny fokontany mandra-pahavita ny fikaonandoham-pirenena. Amin’izany no hahitana hoe: inona avy ny rafitra na vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana hitantanana ny firenena? Ilaina ny fokontany, manatanteraka ny politikam-panjakana eny ifotony: fahasalamana, fandriampahalemana…
Fangatahana fokontany vaovao
An’arivony ny fangatahana famoronana fokontany, kaominina, distrika, Faritra. Faritra Atsimo Andrefana, ohatra, distrika sivy no mandrafitra azy, nefa ny misy, distrika roa ihany amin’ny Faritra iray. Ilaina ny fitsinjarana izay Faritra midadasika be izay. Nefa tsy maintsy misy fandaminana, fa miteraka fandaniana. Efa tapaky ny filankevitry ny minisitra ny fandraisana didim-panjakana 2025-1967, desambra 2025. Misy ny fananganana vaomiera amin’ny famindrana fahaiza-manao amin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Manana solontena amin’izany ny Antenimierampirenena, ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tsy maintsy hisy izay fametrahana laharam-pahamehana izay.
R. Nd.




