Angovo maitso: Volavolaina ny fenitra mahakasika ny biogaz

Natao omaly, ny atrikasa fanombohana ny famolavolana ny fenitra nasionaly momba ny biogaz. Tanjona ny hampanaraham-penitra ity seha-pihariana ity, hiarovana ny mpampiasa ny angovo madio maharitra sady miaro ny tontolo iainana.

Mikarakara ny atrikasa ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), eo ambany fandrindran’ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM). Nilaza ny talen’ny Toekarena maitso ao amin’ny Medd, Andriam­boavonjy Nicolas, fa natao ny hetsika satria tsapa fa miha fongana ny ala vokatry ny fanamboarana arina sy kitay, izay mbola mampiasa azy ny 97% ny tokantrano malagasy. Eo koa ny fako etsy sy eroa sy ny fiparitahan’ny entona karbôna, manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana. Noho ireo antony ireo no ilana ny angovo madio, hanoloana ireo angovo enti-mahandro ireo, sady hiarovana ny tontolo iainana. Azo avadika ho herinaratra ihany koa ny biogaz. Ilaina ny fametrahana fenitra mifehy azy sy ny torolalana ara-teknika.
Nanamafy ny talen’ny BNM, Ramatoa Rakotoma­hefa Sitraka, fa tsy mbola nisy ny fenitra mifehy ny Biogaz hatramin’izay. Antony nahatonga azy ireo ho nangatahin’ny Medd sy ny MEH hamolavola izany miaraka amin’ny mpisehatra rehetra voakasika. Hangonina ny antontan-kevitra avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny fanjakana, ny foibem-pikarohana, ny fikambanan’ny mpanjifa, miaraka amin’ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika (PTF), toy ny Pnud.
Zava-baovao ny biogaz
Anisan’ny vovonana mamondrona ireo mpisehatra amin’ny famokarana ny angovo madio handrahoan-tsakafo ny Madagascar Clean Coo­king Initiative (MCCI). Misy koa ny foibe ivondronan’ny mpampianatra sy mpikaroka, ka anisan’ny zava-baovao ny biogaz sy ny bio éthanol.
Tsiahivina fa vao notokanana tamin’ity herinandro ity ny foibe UniPod eny Tsimba­zaza, Vovonana ahafahan’ny tanora mamorona sy mikaroka amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia niomerika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: