Mpampiasa vola sy mpandraharaha maorisianina hatrany amin’ny 50 no ho tonga eto Madagasikara mandritra ny “Moris-Mada Business”. Hetsika ara-toekarena atao ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo mpandraharaha, mpampiasa vola ary sehatra samihafa. Hampahafantarana an’ireo mpandraharaha maorisianina ny vokatra eto amintsika ahafahana mamatsy azy ireo. Hojerena ihany koa ireo sehatra ahafahana mampiasa vola ary hamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Madagasikara ho ivon’ny fampiasam-bola. Io ny lohahevitra novoaboasan’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem) nandritra ny dinika “webinaire” natao tetsy Antaninarenina. Nifanakalo hevitra tamin’izany ireo mpamatsy vola sy mpandraharaha. Tanjona ny hifankalozan’ireo mpisehatra marolafy mahakasika ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
Tandidomin-doza ny fari-dranomasina ao amin’ny faritra Diana. Mirongatra ny jono atao amin’ny alina (Gavana) sy ny fampiasana fitaovana voararan’ny lalàna. Mitarika faharitran’ny harena voajanahary an-dranomasina haingana ny zava-misy. Manampy trotraka ihany koa ny disadisan’ireo samy mpanjono sy mpiantsehatra an-dranomasina.




