Hosantarina ny alatsinainy ho avy izao ny “Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra” eto Antananarivo sy any amin’ ny faritra rehetra misy ny fikambanana.
Hanamarika izany ny hetsika ofisialy eny amin’ ny foiben-toeran’ny fikambanana eny Ambatomitsangana. Eo koa ny fanadiovana faobe ataon’ny tanora avy amin’ny Centre des jeunes Andoharanofotsy eny amin’ny CSB II eny an-toerana, araka ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny Fisa eto Antananarivo, Raveloson Aurore, omaly, teny Ambatomitsangana. Hisy koa ny tolotra fahasalamana momba ny fandrindram-piterahana mandritra ny hadimiana. Maimaimpoana avokoa ny fahazoana fanafody fandrindram-piterahana ao anatin’ny hetsika na inona na inona safidin’ilay olona aorian’ny fizaham-pahasalamana ataon’ny mpitsabo.
Satria, efa manan-kery sy mihatra ny lalàna laharana faha-2017-043, mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana, mandray ny rehetra vonona ny mpiasan’ny Fisa eny Ambatomitsangana sy eny Andoharanofotsy. Manambara ny lalàna ao amin’ny andininy faha-3 sy faha-5 fa ny zo eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandindrana fiterahana dia zo fototra. Na iza na iza dia tsy azo rarana hisitraka io zo io, tsy misy fanavahana amin’ny taona, ny maha lahy na maha vavy, ny fari-piainana, ny finoana, ny foko. Mampahafantatra io lalàna io rahateo ny Fisa mandritra ny fanamarihana ny Herinandro. Miaraka amin’ny tolotra maimaimpoana momba ny fandrindram-piterahana koa ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono ary ny fanentanana momba ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG).
Efa nanomboka tao anatin’ity herinandro ity ary hitohy amin’ny herinandro ambony ny fanentanana ataon’ny tanora miisa 20 momba ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny mpianatra any an-dakilasy sy eny amin’ny fokontany manodidin’Ambatomitsangana sy Andoharanofotsy, ho an’ny tanora tsy any an-tsekoly.
Vonjy




