Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 jona teo, ny fangatahana fahazoan-dalana ho an’ny Jirama, hamarana ny fifanarahana amin’ny orinasa Henri Fraise Fils & Cie (HFF). Voakasik’izany ny fanofan’ny Jirama ireo gropy mpamokatra herinaratra any Mahajanga sy ny fandoavana ireo taratasim-bidy mifanaraka amin’izany. Efa tapitra tamin’ny 31 desambra 2025 rahateo ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Na izany aza, nanohy namatsy herinaratra tany Mahajanga ihany ny HFF na dia tsy nisy intsony aza ny fifanarahana manan-kery, mba tsy hisian’ny fanapahana herinaratra tao an-toerana. Noho izany, nankatoavina ny fangatahan’ny Jirama hanefa ny trosan’ny HFF mifandraika amin’io tolotra nomena, nanomboka ny janoary 2026 ka hatramin’izao.
Etsy ankilany, misy ny fifanarahana fanampiny ataon’ny Jirama amin’ity orinasa ity hatramin’ny desambra 2026. Saingy, mifarana ho azy io fe-potoana io raha tafapetraky ny Jirama mialoha ireo fitaovana famatsiana herinaratra any Mahajanga.
Hampiasain’ny Jirama ny an’ny Aksaf Power
Ankoatra ireo, ho hampiasain’ny Jirama ny foibe famokarana herinaratra an’ny orinasa tiorka, Aksaf Power Ltd, eny Ambohimanambola. Hisy ny fifanarahana mivantana hataon’ny roa tonta mahakasika izay. Mamokatra herinaratra 60MW ity toby an’ny orinasa Aksaf Power Ltd ity.
Njaka A.




