VAOVAO TAMBATRA

Vonona hiara-kiasa amin’i Madagasikara i Alemaina amin’ny lafiny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Nitsidika ny minisitra Andrianavalona Herizo ny masoivoho Olivier Knoerich, omaly 3 jona. Nankasitrahin’ny minisitra izany fahavononany izany, sady mila atao anatin’ny mangarahara. Mila jerena ihany koa ny sehatra hafa izay tena laharam-pahamehan’ny vahoaka sy ny fanjakana malagasy.

Hampiasaina hikojakojana ny lalana ny akora fototra (grès bitumeux) fanaovana godirao avy any Bemolanga Morafeno. Hisy ny tetikasa fampirantiana, hatao andrana mahakasika izany. Ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) no hiantoka ny tetibola hanatanterahana izany. Efa ela no niandrasana ity tetikasa ity, hanamboarana ny lalana eto amintsika sady mampihena be­tsaka ny masonkarena amin’ny fanafarana godirao any ivelany.

Ho foanana tsikelikely ny fampiasana fanafody simika mahery vaika, famonoana bibikely manimba ny voly. Tena mampidi-doza ity fanafody ity, izay sokajiana hoe «High Hazardous Pesticides (HHP)». Satria, misy fiantraikany amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana. Hisy ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasin’ny paikady momba izany famongorana azy tsikelikely izany.

Partager sur: