Tsy ilaina ny indrafo

 

Tena mahavalalanina ny raharaha politika eto Mada­gasikara amin’izao fotoana izao. Olom-bitsy miketrika ny tombony ho azy manokana no mitady ho lasa « tompon’ ny tanàna ». Mivadibadika tsikelikely eny ny fandehan-javatra, ka tsy hita intsony izay ho henoina sy ho arahina. Atao hoe vazaha mody miady, tsy takatra izay any ambadiky ny sehatra any. Samy milalao izay mahametimety azy dia miala ilany tsikelikely.
Manahirana ny zava-miseho, saingy ny firenena kosa tsy mendrika ny hatao sorona. Efa zava-dehibe aloha ny fahitana fa tsy manilika ny olon’ny fitondrana teo aloha ny manampahefana, ankehitriny. Miverina mahazo toerana tsikelikely ny volomboasary, ankoatra ireo marobe tsy nesorina tamin’ny toerany. Azo lazaina fa maro an’isa aza izy ireny noho izay nilaza ho mpitolona. Ireto farany rahateo tsy hay mazava hoe iza na iza?
Nangina tanteraka ny ankamaroan’ny tanora tena resy lahatra, na ireo tanora tena « Gen Z » naka tahaka ny tany Népal. Ireo tanora tsy hay mazava na nirahina na voakarama tamin’ny kajikajy hafa sisa no mbola miteny tsimoramora eny. Tsy resy lahatra ho an’ny fanavaozana ny tanindrazana anefa, fa mitady toerana sy seza hivelomana.6 Tsy manana foto-kevitra fa mivondrombondrona amin’ny filazana ho mpanohana.
Raha zohina akaiky ny zava-misy, manahirana ny hilaza azy kanefa dia tsy maintsy ho izay: tsy mila olona manana toe-po tia tanindrazana ilay Madagasikara. Raha vao mitempo fitiavana dia efa kofona. Tsy mahazo an­jara toerana, hitantanana na hampandrosoana izany ny milaza hoe tena hanao zavatra eto amin’ny tanàna. Ilay miatsaratsaravelatsihy iny no tena ankafizin’ilay manampahefana sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny. Mahalasa s

r.r

Partager sur: