Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny «Lohavogny 2026 ». Natao tao amin’ny zomban’Andriamisara izany, izay notarihin’ny Ampanjaka Kamamy Georges. Fomba nentim-paharazana izay notohizan’ny taranaka izy ity any Menabe, izay natao indrindra hanomanana ny « Fitampoha » manaraka, ka nanaovana ireo fanao toy ny famonoana omby, sns. Nivoaka nandritra ny «Lohavogny» ihany koa ny daty hanaovana ny « Fitampoha », ka fantatra fa ny 20 hatramin’ny 28 aogositra izany amin’ity taona ity. Tsiahivina fa io no lanonana lehibe indrindra amin’ny fomba amam-panaon’ny sakalavan’i Menabe, izay efa nifandovana nandritra ny taona maro. Natao hanomezam-boninahitra ireo mpanjaka niandohana izany, amin’ny alalan’ireo fombafomba isan-karazany. Fotoana iray hivorian’ireo taranaka miparitaka manerana izao tontolo izao any an-toerana koa io fotoana voatondro io, ka natao iomanan’ny rehetra ny famoahana ny daty. Fanehoana ny firaisankinan’ny Sakalava ihany koa izany, izay fototra nahafantarana ny « Fitampoha » ho anisan’ny hetsika ara-kolontsaina malaza indrindra eto Madagasikara.
Zo ny Aina




