Ravan’ny zandary ilay tambajotran-jiolahy voatondro ho nahafaty mpamaky vato tao Betafo andro vitsy lasa izay. Ankehitriny, maromaro ireo naiditra am-ponja, telo lahy hafa lavo ary mbola misy ireo namany karohina fatratra.
Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, tao Antsirabe, ny roa lahy sy ny vehivavy iray voasaringotra tamin’ilay fanafihana miharo vono olona tao Betafo, andro vitsy lasa. Tapaka taorian’izay fa miandry ny fotoam-pitsarana azy ao amin’ny fonjan’Antsirabe ireo roa lahy raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy. Ankoatra ireo telo lahy maty voatifitra tamin’ity fanafihana ity, jiolahy efatra ihany koa karohina fatratra amin’izao, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria any an-toerana.
Tsiahivina fa nanakan-dalana mpanao vato iray tao Ampasimpotsy, fokontany Loabatomanga, kaominina Alakamisy Marososona ireo andian-jiolahy ny 5 febroary lasa teo. Maty novonoina tamin’izay ity mpandraharaha. Voaroba ihany koa ny vola teny aminy. Nisokatra ny fanadihadiana ny raharaha, natao hazalambo koa ireo voatondro ho nahavanon-doza. Nisesisesy ny fisamborana. Miisa dimy ireo tratra ary miandahy miambavy mihitsy izay samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa. Ankoatra ireo, nisy telo lahy hafa sy vehivavy iray koa saron’ny zandarimaria sy natao fanadihadiana. Isan’ izany ireo voalaza etsy ambony izay nalefa any am-ponja vonjimaika ireo.
Nahery vaika
Nandritra izay, nisy hatrany ny famotorana nataon’ny zandary. Tonga tamin’ny fifandonana ny raharaha, ny asabotsy teo tao Antokofoana, fokontany Antanety, kaominina Soavina. Maty tamin’izay ny jiolahy iray lasan’ny rano saingy hita faty. Lavo taorian’io kosa ireo roa lahy namany. Tsy mijanona eto, hoy ny zandarimaria, ity tranga ity. Mbola karohina ireo namany mbola miriaria any. Fantatra fa mpiray tampo ny iray amin’ireo efa voasambotra sy ny iray amin’ireo maty.
Henintsoa Hani