Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny alahady 7 jona teo, fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny hetra amin’ny famokarana ataon’ny orinasa Star. Araka izany, ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2026”, nampidinina ho 750 Ar isaky ny litatra ny hetra « Droit d’accises » alaina amin’ny vokatra misy alikaola, tsy mihoatra ny 4°, raha 850 Ar/l tany amin’ny Tetibolam-panjakana tam-boalohany “LFI 2026”.
Tanjona ny hahafahana mampitombo ny isan’ireo tantsaha miara-miasa amin’ny orinasa, sady hialana amin’ny olana diavin’izy ireo, dia ny fihenan’ny velaran-tany afaka ambolena “orge” noho ny feharefoan’ny tsena.
Miantso ny depiote hanohana
Manoloana izany, niantso ireo solombavambahoaka ny tantsaha any amin’ny faritra Vakinankaratra, mpamboly “orge”, mba hampandany io volavolan-dalàna LFR 2026 io. Inoan’izy ireo fa mahalala sy mahatsapa tsara ny iainan’ny vahoaka ny olom-boafidy, sady tena hisolo vava azy ireo. Nomarihin’izy ireo fa tena miantraika mivantana amin’ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano izao fanapahan-kevitra izao. Ankoatra ny any Vakinankaratra, tena mamboly « orge » ihany koa ny any amin’ny faritra Amoron’i Mania.
Njaka A.




