Fahombiazana ny hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny fifaninanana basikety 3×3 izay niarahana nisalahy tamin’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite ka nahatratra 91 ny ekipa nandray anjara tamin’izany. Ny ekipan’ny Uprim no nibata ny amboara teo amin’ny sokajy vehivavy, raha ny Essca kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Ankoatra izay, nisy ny fifaninanana fanorona, ka azon’Andriamanalina Rivo Edmond, avy amin’ny Isum Ambohidratrimo, ny fandresena. Teo amin’ny fifaninanana dihy indray, ny Aceem no nivoaka ho mpandresy. Tratra ny tanjona, araka ny nambaran’ny talen’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena eo anivon’ny Mesupres, docteur Souleman Ibrahim. Raha mpijery 2 alina no nandrasana, nihoatra an’izay ny tonga teny an-toerana. Tafita ny hafatra tamin’ny fanomezana lanja ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tamin’izay fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izay.
Mi.Raz




