Tsipy kanetibe – Olon-droa miaraka  : Nisongadina ny ekipan’ny Cecam Bouliste Club

Tontosa teny amin’ny Kianja Ankatso, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa. Nisongadina ny Cecam Bouliste Club (CBC), nahitana an’i Hariliva (Ram’s) sy i Tendry teo amin’ny “senior”, lehilahy, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra. Nandrasan’ny rehetra fatratra ny famaranana, nikatrohan’izy ireo tamin’i CBN, nahitana an’i Hery (Voronkely) sy i Olivier (Kembo). Lavon-dry Ram’s, tamin’ny isa 13 no ho 5, ireto farany. Ny CBN anefa no nitarika 5 no ho 1. Hita ny traikefa ananan’ireo mpilalaon’ny Cecam amin’ny fahazarana miatrika lalao goavana toy izao.
Ho an’ny sokajy vehivavy, lasan’ny SBA, nahitana an’i Felana sy i Tance, ny amboara rehefa nandresy an’i Lova sy i Fana, mpilalaon’ny C2BA, tamin’ny isa 13 no ho 4 izy ireo. Tompondaka kosa ny C2BA teo amin’ny sokajy zandriny “junior”, notarihin’i Cla­rito sy i Andry, rehefa nandavo an’i Fy sy i Patrick, avy amin’ ny CBand, tamin’ny isa 13 no ho 9. Adin’ny samy ABC kosa ny teo amin’ny “vétéran” ka nibata ny fandresena Rasa­moelson sy i Oscar, rehefa nanilika an’ i Jean Marc sy i Irintsoa, tamin’ny isa 13 no ho 11. Nahazo 2 tapitrisa Ar ny voalohany teo amin’ny “senior”, lehilahy; 800 000 Ar kosa ny an’ireo sokajy hafa. Nahatratra 268 ny mpandray anjara teo amin’ny “senior”, lehilahy. 56 ny vehivavy, 73 ny “vétéran”, raha 36 ny zandriny.

Tompondaka

Partager sur: