Filoha Rajoelina: “Mila filoham-pirenena tanora mahavita azy ny vahoaka”

Ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. “Mila filoham-pirenena tanora mahavita azy ny vahoaka”, hoy ny filoha Rajoelina tany Morarano Chrome, Amparafaravola, omaly.

“Miomana ianareo, hiara-kihazakazaka isika amin’ ny fitokanana an’io RN 44 io mba hampisehoana fa matanjaka ny filohanareo. Raha misy hifaninana, andao hatao fa izaho no voalohany. Mila filoham-pirenena mitsinjo va­hoaka, mila filoham-pirenena tanora mahavita azy sy mavitrika”, hoy ny filoha Rajoelina tamin’ny fanombohana ny tetikasa fizarana zezika “sulfate d’ammonium” ho fano­hanana ny fahavitan-tena
ara-tsakafo (PDSA) ho an’ny tan­tsaha ao Morarano Chro­me, distrikan’Ampara­fara­vola, faritra Alaotra Man­goro, omaly.

Ao am-pony ny fahaleovantena amin’ny sakafo. Ma­havelona vady aman-janany ny raim-pianakaviana mahavita azy. Tsy maintsy atao izay hahatafita ny zanaka, na inona na inona fari-piainana sy fahasarotana. Ny filoham-pirenena mahavita azy kosa, mahay mamelona ny vahoaka. Tsy maintsy manao ny ezaka rehetra hahavelona sy hahatafita ny vahoaka iray manontolo izy, araka ny nambarany.
Tsy maintsy ho tratra ny fahavitan-tena amin’ny sakafo

Fanamby ny hahatonga­vana amin’ny fahavita-tena amin’ny sakafo. Mila hampitomboina aloha ny velaran-tany volena. Izay no nanamorana ny fanomezana karatany ho an’ny rehetra. Be dia be ny mamboly fa alain’ny olona ny tany, na tsy manana tany. Tsy maintsy omena ny Malagasy ny tany, ary volena. Izay no vahaolana voalohany hahazoana manatratra ny fahaleovantena amin’ny sakafo.
Mamboly vary ny Mala­gasy, nefa olana ny zezika fa lafo loatra. Kely koa ny vokatra azo : 2 hatramin’ny 3 t isaky ny hektara. Nefa misy firenena na faritra maro eto an-toerana, 5 na 7 na hatra­min’ny 10 t aza ny vokatra isaky ny hektara. Vahaolana ny zezika simika na NPK ankehitriny, izay tsy zakan’ny tantsaha fa 5 000 Ar ny Kg, hampifangaroana “sulfate d’ammonium” izay akora avy amin’ny famokarana “nickel” sy “cobalt”. Hisy omena maimaimpoana sy amidy 1 500 Ar ny Kg ny zezika amin’izany. Tsy maintsy ho tratra ny fahaleovantena amin’ny sakafo. Ny any Alaotra Mangoro no hahazoana manavotra an’i Madagasikara manontolo.

Tantsaha na fianakaviana 225 000 no tsy maintsy homena fiofanana sy zezika. Rehefa tratra izany: 120 000 t zezika “sulfate d’ammonium” vokarin’Ambatovy. Raha 100 000 t no hozaraina sy hamidy eto Madagasikara. Raha mi­tombo 2 t isaky ny hektara fotsiny ny voka-bary, 1 000 000 t ny vary tratrarina afaka taona vitsivitsy. “Izay no fanamby”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: