Vondrona Afrikanina : nanao tatitra ny komity mpanatanteraka

Notontosaina tany Addis Abeba, ny 15 sy 16 febroary 2023 ny fivoriambe ara-potoanan’ny filankevitra mpanatanteraka eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-42. Ny mpitantana sy tompon’andraikitry ny vaomieran’ny Vondrona Afrika­nina (UA), ny minisitra avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny vondrona, ny rantsamangaika sy ny mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny Vondrona Afri­kanina no niatrika izany fivoriana izany. Isan’ny anton’ity fivoriana ity ny fanomanana ny fivoriamben’ny firenena ao anatin’ny UA, atao ny 18 sy 19 febroary 2023, ao Addis Abeba ihany.

Teboka maro no nodini­hin’ny komity mpanatanteraka, tao anatin’izay roa andro nanatanterahan’izy ireo ny fivoriana ara-potoana faha-42 izay. Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fandinihana ny tatitry ny asa nataon’ny vondrona sy ny rantsamangaikany nandritra ny taona. Isan’ny nodinihina koa ny an’ny “Agence Africaine des Medi­caments” (AMA), ny fanatanterahana ny lahasa voafaritry ny tondrozotran’ny UA ny taona 2022 teo amin’ny ara-tsakafo, teo ihany koa ny tatitry ny zava-misy eo amin’ny sehatra sosialy sy ny maha olona. Isan’ny tena zava-dehibe nodinihina tao ihany koa ny mahakasika ny fanafain­ganana ny fananganana ny “Zone de libre-échange continentale Africaine” (ZLECAF).
Ity farany izay ho loha­hevitry ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, andia­ny faha-36. Mandray anjara amin’ity fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-36 ity i Madagasikara. Fivoriana izay tanterahina ny 18 sy 19 febroary 2023 ho avy izao, any Addis Abeba.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: