Mikendry ny hamorona tsena tokana ahitana olona 1.3 lavitrisa, miaraka amin’ny harin-karena faobe tombanana ho 2.6 lavitrisa dolara ny “Zone de libre échange continentale Africaine” (ZLECAF). Amin’izay fotoana izay, hitambatra ao avokoa ny Comesa, ny CAE, ny Sadc, ary ny ampahany amin’ny CEEAC sy ny Cedeao.
Voka-tsoa maro ho an’ny vahoaka afrikanina iray manontolo no hateraky ny fananganana ny ZLECAF. Etsy ankilany, afaka manome fahafahana ny firenena afrikanina hanala olona an-tapitrisany amin’ny fahantrana lalina ary hampitombo ny fidiram-bolany, izay miaina latsaky ny 5.50 dolara isan’andro. Etsy andanin’izay, 450 lavitrisa dolara ny mety ho tombony. Manodidina ny 300 lavitrisa dolara no ho azo amin’ny fepetra fanamorana ny varotra mikendry ny hanatsorana ny fomba fiasa sy ny dingana isan-karazany eny amin’ny fadintseranana. Fanampin’ izay, ahafahana manatanteraka ny fanavaozana fototra ilaina hanentanana ny fitomboana maharitra amin’ireo firenena afrikanina.
Mbola tsy tafajoro anefa ity tsena lehibe ity hatramin’izao. Ny janoary 2012 nandritra ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-18 no efa nipoiran’ny hevitra amin’ny fananganana ity tsena ity. Folo taona aty aorina, hisy ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina amin’ny fanafainganana ny fananganana izany.
Lin (Mpianatra asa)