Rugby – “XXL Top 12”: Hifampitana ny Uscar sy ny FTM

Madiva hifarana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, na “XXL Top 12”. Miditra eo amin’ny andro faha-10 ny lalao ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka. Anisan’ny lalao goavana ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny FTM Manjakaray. Samy nahazo fandresena 6 sy faharesena 3 avy ny roa tonta. Na izany aza, manantombo amin’ny isan’ny baolina voa­tsindry ny FTM, manana isa 32, raha 31 ny an’ny ekipan’ Antananarivo Renivohitra. Ity izany no tsontsorimamba isarahana eo amin’ny roa tonta. Hatreto, mitana ny laharana fahatelo ny Manjakaray, raha fahefatra ny Uscar. Tsiahivina fa hanala vela amin-dry zareo Manjakaray ny Uscar.
Ankoatra izay, lalao hiady ihany koa ny an’ny USA Ankadifotsy (Maitso kely) sy ny Tam Anosibe. Laharana fahadimy ry zareo Ankady, raha eo amin’ny fahafito ny Anosibe. Tsy maintsy hitady fandresena ny Tam raha te ho tafita ao anaty lalao sakana. Hifampitana ihany koa ny Mang’Art, fahafolo sy ny TFMA (Boaikely manohitra), fahavalo. Mila mandresy ihany koa ny ekipan’Ankasina amin’ity. Hanokatra ny fihaonana ny lalao ho an’ny seksionina Atsimondrano. Hifampitana, amin’izany, ny XV FTMA Ankadimbahoaka sy ny XV Force Andavamamba.

Tompondaka

Partager sur: