Naneho ny fanohanany ny Fadintseranana Malagasy, omaly, ny firenena sinoa. Nanolotra fitaovam-pitiliana siantifika maromaro, hampitaovana ny laboratoara ao anatin’ny Foibe akademian’ny Ladoany malagasy any Toamasina izy ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy (DGD), Randrianjafy Antoine, fa zava-dehibe miavaka ity nataon’ny firenena sinoa ity, satria, hanampy sy hanatsara ny asan’ny Ladoany malagasy. Hanafaingana sy hanamora ny asa atao, ka tsy voatery hiantehitra amin’ny fanadihadiana siantifika any ivelany intsony. Hamantarana bebe kokoa ny mombamomba ny entana miditra na mivoaka eto amintsika, indrindra ny avy any ivelany, izany. Hampihena ny entana hosoka sy ny kolikoly ihany koa.
Nilaza i Huo Wei, mpanolotsaina ara-toekarena ao amin’ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara, fa “tafiditra ao anatin’ity fiaraha-miasa ity ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny Ladoany malagasy”. Ilaina ny fampiasana ny teknolojia niomerika ara-tsiantifika. Nomarihiny koa fa tsy mandoa hetra ny entana avy aty amin’ny firenena afrikanina ary anisany i Madagasikara.
Hisy fitaovana hafa
Fitaovam-pitiliana avo lenta ireo natolotry ny firenena sinoa ireo. Nahitana ny «imagerie», mahita an-tsary ny karazana entana, milaza ny singa siantifika ao anatiny, sns. Nomarihin’ ny DG ny Ladoany, Randrianjafy Antoine, fa santionany ihany ireo fitaovana ireo fa mbola hisy ny fampitaovana hafa ho avy hanohanana ny laboratoaran’ny Fadintseranana malagasy.
Njaka A.




