VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny fifamoivoizana any amin’ny lalam-pirenena RN2, eo amin’ny PK61 hatramin’ny PK63, eny Mandraka, anio. Hanomboka amin’ny 1 ora hatramin’ny 2 ora tolakandro izany. Antony, noho ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny fikojakojana sady fanarenana ny RN2. Tsy misy ny fivilian-dalana, mandritra ireo fotoana ireo.

Miisa 7 ny tohodrano vita any amin’ny kaominina Isoanala, distrika Betroka. Manondraka velaran-tany 2026 ha ity tohodrano ity, ary tanimbary 766 ha. Miisa 1 730 ny tantsaha misitraka ny tetikasa. Miahy ny tetikasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mamatsy vola ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena.

Miara-miasa ny fanjakana sy ny tsy miankina hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Anisan’ izany ny fanaovan-tsonia, ny 4 jona teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF), ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) ary ny fikambanana Transparency International Initiative Madagasikara. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly sy ny hametrahana fanjakana tsara tantana.

Partager sur: