Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Azteca, Meksika, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2026”. Nakotroka ny fanokafana, izay nahitana karazana seho mampahatsiahy ny tantaran’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity, eo ihany koa, ny hira izay maneho ny kolontsain’ i Meksika sy Etazonia ary i Canada, izay firenena telo mandray ny lalao.
Haharitra iray volana eo ity fifaninanana ity, tsy hifarana raha tsy amin’ny 19 jolay. Sambany teo amin’ny tantara no nahitana firenena mpandray anjara maro tahaka izao, izay mahatratra 48. Ny ekipan’ i Argentine, misy an’i Lionel Messi, no tompondaka farany, ary mbola mikendry ny haka izany izy ireo amin’ity. Raha ho an’ny omaly, nanokatra ny lalao tany an-toerana, ny fifanandrinan’i Meksika sy i Afrika
Fitia Randria
Ireo lalao amin’ny andro voalohany alefan’ny TVM:
11/06/2026 : 10 ora alina : Canada vs Bosnie-Herzégovine
14/06/2026 : 1 ora maraina : Brésil vs Maroc
15/06/2026 : 2 ora maraina : Cote d’Ivoire vs Equateur
15/06/2026 : 7 ora alina : Espagne vs Cap-Vert
16/06/2026 : 10 ora alina : France vs Sénégal
17/06/2026 : 4 ora maraina : Argentine vs Algérie
17/06/2026 : 8 ora alina : Portugal vs RD Congo
18/06/2026 : 2 ora maraina : Ghana vs Panama




