Antsa fiombonana: Hanao tantsoroka ho an’ny fanabeazana ireo poeta

Hanatontosa ny “Tantso­ro­ka ho an’ny fanabeazana”, eny Ambohidrabiby, ireo vondrona poeta, iarahana amin-dry Harisoa, Ny Voary, Do­moina Fitiavana, Masonalina, Dah nex, Orima, Dakoto, So­ra­tra Fanahy, Misaina Ratovo, Ny Voary Andrianom­bahy, ny 21 jona ho avy izao. Vokatry ny fahatsapana fa manana adidy amin’ny Tanindrazana iombonana ny poeta, indrindra amin’izao Iray volan’ny teny malagasy izao. Araka izany, antsa sy antso fanairana izy ity hanomezana hasina ny fanabeazana. “Antso avo ho an’ny rehetra mba hiray hina sy hifanohana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana. Satria, rehefa simba ny sekoly, malemy ny fotodrafitrasa dia voakitika mivantana ny hoavin’ny taranaka sy ny fandrosoan’ny firenena. Amin’ ny alalan’ny tononkalo, hira ary talenta samihafa no hanehoantsika fa afaka mampiray fo sy mampifoha fanantenana ny zavakanto, indrindra fa ny poezia. Tsy fialamboly fotsiny izy ity fa feo manaitra ny saina sy antso ho amin’ny fiaraha-mientana. Koa andao hiara-hientana hanohana ny fanarenana sy fanatsarana ny fanabeazana, satria ny ankizy anio no ho mpitarika rahampitso ary ho fahazavan’ny firenena rahatrizay “, hoy i Harisoa Ny Talenta. Ny tanana mifanampy no mampijoro ny fanantenana. Ny sekoly mendrika no hanorenana taranaka vanona. Ny fanabeazana no lakilen’ny hoavy mamiratra.

F.R

Partager sur: