Mahatratra 2015 ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Toamasina. Mitsinjara 1117 ireo mpiasa tsy raikitra, miisa 898 ny mpiasa raikitra. Mitaraina sy milaza fa tsy afa-po amin’ny asa voaray ny ankamaroan’ny mponina. Nilaza izy ireo fa mahatratra 30.000 Ariary ny vola omanina vao mahavita sora-piankohonana ao amin’ny kaominina. « Mbola diso tsipelina avokoa izany ka in-dimy miverina vao vita tsara», hoy ireo nanontaniana. Anisan’ny mitaraina ihany koa ireo mpiasa misotro ronona sy ny vadiny. Tsy misitraka ny fisotroan-dronono sy volan-jaza izy ireo.
Ankoatra izay, mampieritreritra ny mponina ny fahataran’ ny karaman’ny mpiasa eo anivon’io kaominina io. Naharay ny taratasim-bolany ireo mpiasa tsy miankina eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Toamasina, ny 13 janoary lasa teo. Telo andro taty aoriana vao afaka nalaina teny amin’ny fitehirizam-bolam-panjakana izany, raha ny loharanom-baovao tany an-toerana. Raha ny fantatra, efa nahitana fahatarana tao anatin’ny herintaona izany ho an’ ireo mpiasa ka mampametra-panontaniana ny maro.
Mampidi-bola betsaka ny kaominina
Anisan’ny mampidi-bola betsaka ny kaominina. Teo ny fisian’ny seranan-tsambo any an-toerana. Manodidina ny 600 – 800 tapitrisa Ariary izany. Miseho amin’ny alalan’ny tamberim-bidy isan-karazany. Etsy ankilany ny haban-tsena, hofan-tany sy trano sy ny maro hafa. Anisan’ny seha-pihariana iray mahazo vahana any an-toerana ny fanorenana kiosk, izay miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ ny kaominina ny ampahany. Tokantrano miisa 425 ny misitraka rano sy jiro maimaimpoana avy amin’ny kaominina. Marihina fa ahitana endrika kolikoly ny ankamaroan’ireo asa rehetra ireo, araka ny loharanom-baovao hatrany. Fantatra fa ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina no mahazo tombontsoa amin’ireo rehetra ireo.
Sajo sy Mino (mpianatra asa)