FANTINA sy FINTINA

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Hentitra ny teniny. « Hadisoana lehibe ny tsy nandraisana fanapahan-kevitra nandravana ireo An­drim­panja­kana tsy nahomby, notakina teny an-kianja », hoy ity mpitarika ny KFIM ity.

Nanatanteraka famorana faobe tao Anka­di­nandriana ny Malagasy miara-miainga, omaly. Mpitsabo mpikambana ao anatin’ny antoko ihany no misahana izany. Tonga maro nitondra ny zanany ireo ray aman-dreny avy amin’ireo fokontany miisa 18. Marihina fa efa fanaon’ny antoko isan-taona ity hetsika sosialy ity.

Nambaran-dRazafiarison Laza fa tsy fitakiana fanavaozana no notakina teny an-kianja fa fanovana rafitra. Nohitsiny fa miverina amin’ny voalazan’ny antokony, RCR, avokoa ny zava-misy eto amin’ny firenena. « Tsy manaraka Lalàmpanorenana isika ankehitriny ary ny HCC ihany no manitsakitsaka izany », hoy izy.

Miantso ny hampanjakana ny fahamarinana sy ny rariny ny depiote Rajerison Antoine. Namba­rany fa vonona hatrany ho amin’ny fiarovana ny vahoaka ny tenany. « Anisan’ny fitaovana fampanginana ireo nijoro niteny ireo tsy nety teto amin’ny firenena, hatramin’izay, ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ka aoka hahay haka lesona isika », hoy izy.

Partager sur: