Kick boxing-Afrika : 18 ny handrafitra ny delegasionina malagasy

Atleta 14 sy staff teknika 4 no mandrafitra ny delegasionina malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja kick boxing, hatao any Kameronina. Ao anatin’ny fanomanana farany ireo Malagasy mpikatroka amin’izao.

Hanainga ny sabotsy 20 jona izao ny delegasionina malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika,  taranja kick boxing,  ho­tanterahina any Kame­ronina,  ny 21 hatramin’ny 27 jona izao. Miisa 18 ny mandrafitra izany delegasionina izany, ka atleta ny 14 amin’izy ireo ary mpanazatra sy staff teknika ny 4, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Federasio­nina malagasin’ny kick bo­xing, Rafidison José. Neza­hina nasiana solontena isan-tsokajy ny Malagasy mpikatroka tamin’ity, mba hahafahana mahazo vokatra tsara sy tsy hampitsanga-menatra an’i Madagasikara,  raha ny fanazavany hatrany. Miady irery sy niezaka nitady ny hoenti-manana ny Federasionina amin’izao fandefasana atleta hiaro ny voninahi-pirenena izao. Tsy mbola misy mpanohana izy ireo, hatreto, fa miantoka tanteraka ny lany rehetra. Mbola manao antso ho an’ny malala-tanana anefa izy ireo hanohana ny atleta malagasy satria i Madagasikara no ho soloin’ireo mpikatroka ireo tena, any Kameronina.

Manomana mafy ny atleta malagasy
Etsy ankilany,  mizotra tsara ny fanomanana ireo atleta  izay miatrika fanazarantena eny amin’ny Dojo Mahazoarivo,  tarihan’i Maître Kelly sy ireo mpanazatra nasionaly,  ahitana an’i Maître Rasolonjatovo Fanoel Roger sy ireo mpanazatra mandrafitra ny kaomisiona teknika misahana izany. Nanomboka tamin’ny 28 mey lasa teo ny fampivondronanana sy fanazarantena, raha ny fanazavana hatrany ary vonona ny Malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: