Tontosa tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo, ny fitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “tournoi estival”, any France. Omaly no namoaka ny lisitra ny Federation sport boule malagasy (FSBM). Manana ekipa roa i Madagasikara, amin’izany fifaninanana izany. Mbola voatazona ao anaty ekipam-pirenena i Baloty sy i Lova ary i Tonnerre. Hanampy azy ireo, i Bondy sy i Tafita ary i Mika. Masontsivana nojerena tamin’ireo mpilalao ny fahamarinan-toerana, izany hoe, tsy niova mihitsy ny zava-bitany tamin’ireo sedra samihafa. Anisan’izany ny tifitra sy ny fakana isa, ny tanjaka sy ny toe-tsaina ary ny fitondrantena. Andrasan’ny rehetra kosa izay ho firafitry ny ekipam-pirenena hiatrika ny “Mondial La Marseillaise”, hatao ny 5 – 8 jolay ho avy izao. Tsiahivina fa tompondaka tamin’io ny Malagasy, izay norombahin’i Tonnerre sy i Yves ary i Lova. Ankoatra izay, fantatra ihany koa ireo efatra mianadahy “junior” ho any Espagne, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Andriambelonony Harison Clarito sy Raberanto Avotiana Elio eo amin’ny lehilahy, ary Ramamonjisoa Anjaratiana Nameno sy Ramamonjisoa Hanjatiana Nomena, eo amin’ny vehivavy. Ny 23 – 26 oktobra ny hanaovana ny fifaninanana.
Tompondaka




