« Fetin’ny Mozika » : Hifarimbonan’ny vao misondrotra sy ny kalaza

Efa ho 30 taona izao no nanamarihana koa ny « Fetin’ny mozika » taty Madagasikara. Niova lamina, toerana lehibe kokoa ny eto Antananarivo amin’ity.

Lasa toerana fanaovana fampisehoana ankalamanjana ny etsy anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Anta­na­na­rivo. Mbola handray koa ny «Fetin’ny Mozika 2026», izay fikarakaran’ny AFT Anda­vamamba, ny toerana, ny sa­botsy 20 jona izao. «Ny 21 jona no tena andro fankalazana ma­­neran-tany, saingy ha­roso ny sabotsy 20 jona ny seho amin’ ity, noho ny fandaminana. Tsy mivaona amin’ny la­lantsaina efa napetraka ha­tramin’izay kosa anefa, dia ny fanomezana sehatra ny talenta vao amin’ny mozika no hampiakarana ireo efa kalaza andrasan’ny mpankafy koa», hoy ny fanazavana nomen’Andriantsoa Andriamihanta, tomponandraikitra avy ao amin’ny AFT Andavamamba, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika teny an-toerana, omaly.

Gadona maroloko

Gadona maroloko, avy amin’ny faritra maro eto Ma­dagasikara, no hasongadina. Amin’ny 12 ora dia efa ha­nomboka ny seho, ka fampisehoana « cirque » hataon’ny Astam Circus aloha no hisantarana azy. Hanaraka avy eo ny Fanfare Bemiray, hitondra karazana feon-javamaneno. Harahin’ny fampisehoana dihy vakodrazana, iarahana amin’ny tropy Gasy Dihy, izany aorian’izay. Hotohizan’ny Flash Crew amin’ny dihy an-tanàn-dehibe. Hanomboka amin’ny 2 ora kosa ny tena fampisehoana mozika, ka ireo izay nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, nokarakarain’ny AFT, no hisantatra azy. Mpanakanto vao misondrotra, kanefa efa hanoritra ny lalany izy ireo. Aorian’izay ny fampisehoana hataon’ny tarika Mbaoe, mivoy ny gadona mifangaro afro-beko. Vao avy nisitraka ny vatsim-pikarohana ara-javakanto nomen’ny AFT rahateo ny tarika. Hama­rana ny seho ary hanana anjara fotoana elaela kosa ry Skaiz sy Denise, araka ny efa andrasan’ny mpankafy. I DJ Sandix kosa no hanaingo sy hanafana ny elanelam-potoana hifandimbiasan’ny tarika eny an-tsehatra.
Tsiahivina fa seho maimaimpoana hatrany ny «Fetin’ ny Mozika», izay azo tanterahina noho ny tantsoroka ataon’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny Yas Madagasikara. Fotoana fiombonana anaty mozika, hahafahan’ny rehetra mahita sy mandre sanganasa ankoatra ny mahazatra azy isan’andro izany.

Zo ny Aina

Partager sur: